Ny tantaranay
I Kajikajy dia niainga tamin’ny olana natrehin’ny mpanorina azy, Erick Rafanomezantsoa, teo amin’ny fitantanana ny orinasany manokana. Tamin’izany dia fitaovana tsotra hahafantarany izay mbola tokony haloany sy izay mbola tokony horaisiny no notadiaviny. Izany filàna izany no nanosika azy hamorona ny dika andrana voalohany.
Nipoitra koa anefa ny olana hafa rehefa tonga ny fotoana hanatanterahany ny adidy ara-ketra. Satria nifantoka tamin’ny asa fototry ny orinasany izy, dia tsy nanam-potoana hanomanana ny tatitra ara-bola ka voatery nangataka hatrany ny rahalahiny hikarakara izany ho amin’ny fanambarana ara-ketra. Ankoatra izany, rehefa apetraka any amin’ny sampan-draharahan’ny hetra ny antontan-taratasy vao tena fantatra ny hetra tokony haloana. Sarotra àry ny nahafantatra mialoha ny sandan’ny hetra sy nanokana ny vola nilaina handoavana azy.
Niitatra tsikelikely ilay tetikasa, nifototra tamin’ny hevitra tsotra iray: ny raharaha raketin’ny mpandraharaha isan’andro dia tokony hampiseho aminy ny toe-bolan’ny orinasany. Ireo angona ireo ihany koa no ampiasain’i Kajikajy hamoahana ny tatitra ara-kaontin’ny orinasa sy hanombanana tsikelikely mandritra ny taona ny adidy ara-ketra.
Rehefa vita ilay dika andrana dia nasehon’i Erick tamin’i Fenohasina Rabarijaona izany. Mpamorona rindranasa sady tale teknika manana traikefa manodidina ny folo taona i Fenohasina. Nahasarika azy ilay tetikasa ka nanapa-kevitra ny hiara-hanorina an’i Kajikajy amin’i Erick izy. Ny fiaraha-miasan’izy ireo no nahafahana nanova ilay dika andrana ho rindranasa fitantanana antsoina ankehitriny hoe Kajikajy.
Ny tanjonay
Ny tanjonay dia ny hanamora ny fitantanana orinasa ho an’ireo mpandraharaha tsy manam-potoana firy hikarakarana izany ary tsy mahita foana fitaovana mifanaraka amin’ny asany andavanandro.
Tianay ho hitan’izy ireo mazava ny tena fandehan’ny orinasany sy izay azony atao hampandrosoana azy. Rehefa mandeha ny fotoana, ireo angona voarakitra dia mamorona tantara ara-bola azo itokisana, ka manamafy ny fahatokisan’ny banky sy ny rafitra fampindramam-bola madinika azy ireo.
Tokony hanome azy ireo izany fahitana mazava izany isan’andro ny fitantanana, ary hanampy azy ireo hanorina orinasa afaka maharitra.
Noforonina sy novolavolaina eto Madagasikara
Noforonina hifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny mpandraharaha malagasy i Kajikajy. Ny finday matetika no fitaovana tena ampiasain’izy ireo indrindra amin’ny asa, nefa tsy milamina foana ny fifandraisana amin’ny Internet. Afaka mirakitra fandoavana amin’ny vola taratasy na amin’ny Mobile Money ny rindranasa. Namboarina hifanaraka amin’ireo adidy ara-kaonty, ara-ketra ary ara-tsosialy eto Madagasikara koa izy.
Tsy mila Internet mandrakariva ny fampiasana azy, ary azo ampiasaina amin’ny teny frantsay, malagasy ary anglisy izy. Ny famolavolana azy eto Madagasikara no ahafahanay mampifanaraka mivantana ny vokatra amin’ny filàna eny ifotony sy ny fomba fiasan’ny mpampiasa.
Madagasikara no toerana niaingan’i Kajikajy. Aorian’izay, tianay ny hitondra ity vahaolana ity any amin’ireo firenena izay misedra olana mitovy amin'ny eto ihany koa.
Ny vinanay
Tianay ny hanampy ny orinasa malagasy hivoatra sy haharitra hatrany. I Kajikajy dia natao hanaraka izany fitomboana izany: hatramin’ny asa tantanin’olona iray ka hatramin’ny orinasa afaka mitohy sy mandroso tsy miankina amin’ilay nanorina azy intsony.
Any aoriana, tianay ny hanangana manodidina an’i Kajikajy rafitra iray azo itokisana, hanohana ny fivoaran’ny orinasa. Ny fitantanana isan’andro no ho fototr’izany. Hampiana tsikelikely porofo manamarina ny tena fiasan’ny orinasa sy tolotra vaovao io fototra io.
Fehezo tsara kokoa ny asanao
Azo alaina ao amin’ny Google Play i Kajikajy. Manomboha maimaim-poana, raketo ao amin'ny Kajikajy ny asanao, dia ho hitanao mazava kokoa ny tena fahombiazan’ny orinasanao.