Kajikajy

Tantano. Araho. Fehezo.

Kajikajy dia manampy anao hahita mazava ny fandehan’ny asanao. Hitanao ny vokatra, voafehinao ny fandaniana, mivoaka ho azy ny tatitra ara-bola ary mihamora ny fanomanana fangatahana famatsiam-bola.

  • Tena mora ampiasaina
  • Tsy voatery hifandray amin’ny internet mandrakariva
  • Azo ampiasaina amin’ny teny frantsay, malagasy ary anglisy
Alaivo ao amin’ny Google Play

Azo alaina ao amin’ny Google Play izao i Kajikajy.

Finday mampiseho ny pejy fandraisan’i Kajikajy: vola azo ampiasaina, fironana, trosa, tahiry ary adidy ara-bola.

Tantano milamina kokoa ny asanao

Ao amin’i Kajikajy no ahitanao ny fitantanana rehetra ilainao isan’andro. Tsy laninao amin’ny fandaminana tarehimarika intsony ny fotoanao, fa azonao atokana hampandrosoana ny asanao.

Fantaro ny tena fandehan’ny asanao

Hitanao mora foana ny fivoaran’ny asanao, ka afaka mandray fanapahan-kevitra tsara amin’ny fotoana mety ianao.

Havaozina ho azy ny tahirinao

Isaky ny misy varotra na fividianana dia miova ho azy ny isan’ny entana ao anaty tahiry. Afaka manao inventaire physique amin’ny fotoana rehetra ianao mba hampitahana ny tahiry voarakitra ao amin’ny app sy ny tena isan'ny entana ao am-pitahirizana, ka hahitana avy hatrany ny tsy fitoviana na fatiantoka.

Fantaro izay mbola tokony handoa aminao sy izay tokony hoefainao

Azonao atao ny mivarotra na mividy ary mandoa izany eo noho eo, na amin'ny ampahany, na amin'ny alalan'ny trosa, arakaraka ny fifanarahanao amin’ny mpanjifa na ny mpamatsy. I Kajikajy no manara-maso ny fe-potoana sy mampahatsiahy ny vola tokony horaisinao na haloanao.

Kaontin’ny mpanjifa ao amin’i Kajikajy, ahitana ny vola mbola haloany, ny fe-potoana manaraka, ny fampahatsiahivana ary ny tantaran’ny raharaha.

Fantaro izay tena mampidi-bola anao

Ao amin’ny takelaka Fanaraha-maso ny varotra no ahitanao izay vokatra be mpividy indrindra sy izay tena ahazoana tombony indrindra, satria tsy voatery hitovy ireo. Izany no manampy anao hanitsy ny tolotra sy hametraka ny laharam-pahamehana.

Fantaro raha tena mahazo tombony ny asanao

Ampitahain’i Kajikajy avy hatrany ny vola miditra sy ny fandaniana, ka fantatrao amin’ny fotoana rehetra raha mahazo tombony na fatiantoka ny asanao. Tsy mila miandry faran’ny volana na mikajy amin’ny calculatrice.

Antontanisan’i Kajikajy mampitaha ny vola miditra, ny fandaniana, ny tombony na fatiantoka ary ny fiovan’ireo.

Fehezo ny fandanianao

Amin’i Kajikajy dia hitanao mazava hoe inona no mandany ny tombom-barotrao ary ohatrinona no tena zakan’ny asanao.

Fantaro ireo fandaniana mavesatra indrindra
Hitanao avy hatrany ireo fandaniana mavesatra indrindra amin’ny tombom-barotrao. Afaka mampihena ny tsy ilaina ianao nefa tsy manelingelina izay mampandroso ny asanao.
Fantaro mialoha ny tena saran’ny mpiasa
Alohan’ny hanapahana hevitra momba ny karama na fandraisana mpiasa, dia jereo ny tena vola hivoaka miaraka amin’ny CNaPS, OSTIE, IRSA ary ny latsakemboka amin’ny fampiofanana mpiasa.

Avoahy ho azy ny tatitra ara-bolanao

Tatitra ara-bola sy bokin’ny vola miditra sy mivoaka ao amin’i Kajikajy.
Tombana momba ny hetra kajiana avy amin’ny angona voarakitra ao amin’i Kajikajy.
Fanomanana ny karama sy ny taratasin’ny mpiasa ao amin’i Kajikajy.

Ampitomboy ny vintanao hahazo famatsiam-bola

Rehefa raketinao tsy tapaka ao amin’i Kajikajy ny varotra sy ny fandanianao, dia miforona tsikelikely ny tantara ara-bolan’ny asanao. Ireo angona mazava sy azo arahina ireo no manampy ny banky na microfinance hatoky kokoa ny antontan-taratasinao.

Asehoy amin’ny tarehimarika ny tanjaky ny asanao
Isam-bolana, ny raharaha voarakitrao dia mamorona tantara ara-bola misy daty sy porofo azo arahina. Hitan’ny mpamatsy vola amin’izany ny fivoaran’ny asanao sy ny fahaizanao mitantana azy.
Omano ny famatsiam-bola hampandrosoana ny asanao
Rehefa mangataka famatsiam-bola ianao dia afaka manomana dosie mifototra amin’io tantara ara-bola io i Kajikajy. Lasa matotra kokoa ny fangatahanao ary mitombo ny vintana hahazoana ny vola ilaina hampandrosoana ny asa.

Safidio izay mety aminao: Essor na Excellence

Mora vidy sady tena mora ampiasaina i Kajikajy, ka izy no fitaovana fitantanana tsara indrindra ho an’ny mpandraharaha eto Madagasikara. Alaivo ao amin’ny Google Play ny rindranasa dia ampiasao maimaim-poana aloha. Rehefa mitombo ny filàn’ny asanao, safidio ny Essor na Excellence.

Essor

11 990 Ar/volana

Ampiasao tsy misy fetra ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny fitantanana isan’andro, miaraka amin’ny backup cloud sy fanampiana amin’ny famerenana angona.

  • Mpanjifa sy mpamatsy tsy misy fetra
  • Raharaham-barotra sy entana anaty tahiry tsy misy fetra
  • Varotra, fividianana, fandoavana ampahany ary adidy ara-bola
  • Antontan’isa, rakitra PDF ary fanaraha-maso ny fivoaran’ny asa
  • Fitehirizana ao amin’ny cloud, miaraka amin’ny fanampiana rehefa mamerina angona
Safidio ny Essor

Excellence

24 990 Ar/volana

Ampiasao amin’ny fitaovana maromaro i Kajikajy, ary tafiditra ao ny famerenana angona avy amin’ny cloud.

  • Tafiditra avokoa izay rehetra omen’ny Essor
  • Kaonty iray azo ampiasaina amin’ny fitaovana 3 miaraka
  • Tafiditra ny famerenana angona avy amin’ny cloud
  • Afaka manohy ny asa amin’ny fitaovana hafa
  • Laharam-pahamehana amin’ny fikirakirana raharaha saro-pady
Safidio ny Excellence

Manan-kery 30 andro ny tolotra andoavam-bola tsirairay. Rehefa tapitra izany dia ianao no misafidy raha hanohy.

Misy fanontaniana momba an’i Kajikajy?

Jereo eto aloha ny valiny. Raha tsy hitanao izay tadiavinao, mifandraisa aminay amin’ny tambajotra sosialy na avy ao amin’ny app.

Inona marina i Kajikajy?

Kajikajy dia rindranasa Android iray itantanana ny asanao manontolo: vola, tahiry, mpanjifa, mpamatsy, mpiasa, hetra ary famatsiam-bola. Ny raharaha raketinao isan’andro no mamorona ho azy ny antontan’isa sy tatitra ilainao.

Ahoana no hisintonana an’i Kajikajy?

Sintomy ao amin’ny Google Play dieny izao i Kajikajy, dia tantano mora foana amin’ny findainao ny asanao.

Asa manao ahoana no mety amin’i Kajikajy?

Mety amin’ny orinasa madinika, mpivarotra, mpanao asa-tanana, mpamokatra ary mpanome tolotra eto Madagasikara i Kajikajy. Tsy voatery ho mahay comptabilité vao mampiasa azy.

Afaka manomboka maimaim-poana ve aho?

Eny. Amin’ny tolotra Gratuit dia afaka mitantana mpanjifa 10, mpamatsy 10, raharaha 50 isam-bolana ary entana 20 ao anaty tahiry ianao.

Inona no maha-samihafa an’i Kajikajy amin’ny boky na tableur?

Rehefa mandrakitra raharaha iray ianao dia tsy mitahiry azy fotsiny i Kajikajy, fa manavao ho azy ny tahiry, kaonty ary antontan’isa voakasika. Avy amin’ireo angona ireo no amoahany fe-potoana, taratasy karama, tatitra ara-bola ary dosie findramam-bola.

Inona no maha-samy hafa ny Essor sy Excellence?

Essor no manala ny fetra amin’ny Gratuit ary miampy backup cloud sy ahafahana mangataka fanampiana amin’ny famerenana ny angonao raha toa ka very ny findainao na hiova finday ianao. Excellence kosa dia ahafahanao manohy ny asa amin’ny fitaovana maromaro miaraka, ary tafiditra ao anatin'ny tolotra ny famerenana angona.

Afaka ampiasaina tsy misy internet ve i Kajikajy?

Eny, voatahiry ao anaty finday ny angona rehetra momba ny fitantanana ny asanao, ka afaka miasa soa aman-tsara ianao na tsy misy internet aza. Mila internet kosa ny fidirana, fandoavana, backup, famerenana angona, synchronisation ary support sasany.

Safidio dieny anio izay mety amin’ny asanao

Misafidiana ny tolotra Essor raha te hampiasa tsy misy fetra an'i Kajikajy ianao. Safidio kosa ny tolotra Excellence raha mila mampiasa Kajikajy amin’ny fitaovana maromaro.

Hisoratra anarana